Rugby – Lalao Olympika ho an’ny tanora: hanoman-tena any Tunisie ny Makis Ladies

Ho fiatrehana ny lalao olympika ho an’ny tanora hatao any Sénégal, ny 31 oktobra hatramin’ny 13 novambra ho avy izao, hiatrika lalao fitsapana any Tunisie, ny Makis, ny herinandro ho avy io.

“Ny ady tsy mora ”! Anisan’ireo taranja hifaninanana amin’ny lalao olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026), hotanterahina atsy Dakar, renivohitr’i Sénégal, ny 31 oktobra – 13 novambra ho avy izao, ny rugby lalaovin’olona fito. Man­dray anjara amin’izany ny Makis Ladies, ary efa niatrika fampivondronana nandritra ny herinandro lasa teo. Raha tsy misy ny fiovana, hiatrika fifaninanana hanomanana an’io fifanintsanana iraisam-pirenena io, any Tunisie, ny Makis.
Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, mety ny alahady ho avy izao ireo Mala­gasy mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena no hanainga eto an-tanindrazana, hamonjy ilay fifanintsanana.
Andrasana indray izany ny lisitr’ireo mpilalao hanatevina ny ekipa nasionaly amin’izany.

Miray vondrona amin’ireo sangany
Raha ny fikarohana natao, miray vondrona “B” amin’ireo firenena efa sangany i Mada­gasikara. Anisan’izany i Tché­quie, Etazonia, ary i Espagne. Ho an’ny espaniola manokana, tamin’ity taom-pilalaovana ity, niatrika ny famaranan’ny Rugby Europe Sevens ry zareo. Etazonia kosa, efa voky traikefa, ary ny mpilalao sasany amin’izy ireo, efa niatrika ny lalao olympika tany Paris, ny 2024 lasa teo.
Ampahafantarina ihany fa ny fifaninanan’ny rugby lalaovin’olona fito amin’ity “JOJ 2026” dia hotontosaina ny 1-3 novambra ho avy izao.

Fitia Randria

Partager sur: