Fanatanjahantena ho an’ny Oniversite: naverin’ny fanjakana ny fifaninanana « Universiade »

Taorian’ny andiany voalohany 2019, hotanterahina ao Antsirabe, ny 30 oktobra ha­tramin’ny 8 novambra ho avy izao, ny fihaonana ara-panatanjahantena sy kolo­tsaina “Universiade” andiany faha­roa. Hetsika natao hampivondronana ireo mpianatry ny Oniversite manerana an’i Madagasikara izy ity, hiara­han’ny minisiteran’ny Fampia­narana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres) sy ny minisiteran’ ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), misalahy.
Nampitondraina ny lohahevitra “ Firaisankina sy fihavanana” ny amin’ity andiany manaraka ity. Raha ny fanazavana azo, ny lalao baoliana kitra sy ny basikety, sokajy lahy sy vavy, no hifaninanana amin’izany. Nilaza ny mpikarakara fa ho hentitra tanteraka izy ireo amin’ny fanaraha-maso ireo mpandray anjara mba hisorohana an’ireo “ mércenaire” na ireo tsy mpianatra milalao anatin’ilay ekipa.
Handray anjara amin’izany ny Oniversiten’Antananarivo, Mahajanga, Fianarantsoa, Toamasina, Toliara, Antsira­nana, Itasy, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Agnambà. Eo koa ny avy any Androy, Sava, Ambositra (Univam), Analanjirofo, Androna, Anosy, IST Diego, IST Antananarivo, CNTEMAD ary ny Cnela. Ma­ri­hina fa misahana ny lamina teknika sy mikarakara ny trano andraisana ireo mpilalao ny minisitera.

Fitia Randria

Partager sur: