Nihintsana teo amin’ny fihodinana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja judo, Andriambololona Hajanirina Zo, ho an’ny sokajy latsaky ny 78 kg, vehivavy, teo amin’ny vondrona «B». Fihaonana notanterahina tany Ouzbekistan, ny sabotsy lasa teo. Lavon’ilay Gineanina, i Branser Marie, izy. Tamin’ny alalan’ny Ippon no naharesy azy tamin’ity.
Nanainga ny alahady lasa teo, nihazo an’i Tunisie, ny Makis Ladies U18. Hiatrika fiofanana iraisam-pirenena any an-toerana izy ireo amin’ny fiatrehana ny lalao Olympika ho an’ny tanora hatao any Dakar, Senegal, ny 31 oktobra ka hatramin’ny13 novambra 2026. Haharitra hatramin’ny 19 oktobra izany fiofanana izany. Ankoatra an’i Madagasikara sy i Tunisie, voaasa ihany koa i Kenya sy Senegal.
Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja COT Ilafy, ny dingana faharoa amin’ny “Tournoi mondial junior J30”, taranja tenisy. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny lehilahy ilay Danoà, i Nicholai Petersen, nandresy an’i Na Tovonirina, tamin’ny seta
2 no ho 1 (6/4 ; 3/6 ; 6/3). Lasan’ilay poloney, i Olivier Krupa sy i Nicholai Petersen kosa ny an’olon-droa. Teo amin’ny olon-tokana, vehivavy, tompondaka i Ratre Ando Tiantsoa. Ho an’olon-droa, norombahin’ireo hollandezy, i Ysaline Cijntje sy i Aurora Flecken ny fandresena.





