Fitantanana ny firenena: Mitsipaka ny tetezamiitatra ny depiote Rajerison

Notsiahivin’ny depiote voa­fidy tao Arivonimamo, Raje­rison Antoine, fa herintaona aty aoriana, mbola tsy misy tondrozotra sy daty mazava momba ny fakan-kevitra na­sionaly, ny fitsapankevi-baho­aka ary ny fifidianana. « Aiza ny fanarahamason’ny HCC amin’izany ? Tsy tokony ho lasa tetezamita tsy misy fiafarana ny Fanavaozana », hoy izy.
Nanteriny fa anisan’ny antony nametrahany ny fito­riana teny anivon’ny HCC izany, nampahatsiahivana ireo andinin-dalàna. Tsy ma­havita sy tsy manatanteraka ny andraikitra nankinina ta­miny ny mpitondra amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany hatrany. Nohitsiny fa tsy olona ovaina no notakin’ny vahoaka. « Ra­fitra sy fomba fiasa miova no nidinana an-dalambe. Tsy tokony hitantana firenena amin’ny rafitra efa hita fa tsy na­homby isika, nefa tsy misy dingana mazava hanovana izany », hoy ihany izy.
Nanteriny fa anisan’ny antony nitolomana ny hametrahana firenena tsara tantana hanorenana rafitra vaovao hiantohana ny rariny. Eo koa ny tamberin’andraikitra ary ny fitsinjara-pahefana tena izy sy ny harem-pirenena ara-drariny ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy. « Mitaky tondrozotra mazava sy fe-potoana arahina ny firenena », hoy ihany ity depiote voafidy tany Ari­vo­nimamo ity. Tsy hita ny tena niova ary tsy mazava ny lalana hizorana. Tsy hita izay hiafarana, araka ny nambarany hatrany. Fampanantenana no betsaka, fa ny tena fanovana mbola tsy hita taratra. « Ny vahoaka mbola mijaly, ny lalan’­ny tolona mivaralila ary ny fanantenana mihalefy », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: