Rugby – Africa Women’s Sevens 2026 : Laharana fahafito ny Makis Ladies de Madagascar

Rava teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalan’ny Africa Women’ s sevens 2026, indray izany ny nofin’ny Makis Ladies, izay nanana tanjona ny hiatrika ny fifaninana maneran-tany, World Sevens Rugby diviziona fahatelo. Resin’i Tunisie, 31 no ho 7 ry zareo.

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tatsy Nairobi Kenya, ny fifaninanana afrikanina, taranja rugby lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy, Africa Women’s Sevens 2026. Nihintsana teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ny Makis Ladies, rehefa nomontsanin’i Tunisie, ta­min’ny isa 31 no ho 7. Rehefa nandeha ny ady laharana, teo amin’ny laharana fahafito ny Malagasy, rehefa nandresy an’i Maurice, 22 no ho 12.
Raha hiverenana kely ny dian’ny Makis Ladies, tao amin’ny vondrona “C”, nisy azy ireo. Nahita fandresena roa sy faharesena iray ry zareo, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona. Teo amin’ny andro voalohany, resin’i Madagas­ka­ra, 12 no ho 5, i Maurice. Tao­rian’io nandavo an’i Burkina Faso, 36 no ho 12, ny ekipa nasionaly malagasy. Rehefa namarana ny lalao isam-bondrona, nomontsanin’i Ougan­da, tamin’ny isa, 46 no ho 0, i Madagasikara.
Rehefa nandeha ny ady laharana, nomontsanin’i Zam­bia, 40 no ho 7, indray ny Ma­lagasy. Tany amin’ny fiadiana ny laharana fahafito vao nahita fandresena, ny Malagasy.
Tsara ny mampatsiahy fa manana ny lanjany tanteraka ity fifanintsanana ity satria izay ekipa roa nanao ny lalao fa­maranana tamin’izany, hiatrika ny fihaonana maneran-tany, World Seven’s 3, diviziona fahatelo, amin’ny taona 2027 ho avy io. Tsy anisan’ireo firenena hiatrika izany indray aloha izany i Madaga­sikara mandritra io taona ho avy io.

Fitia Randria

Efa eto Madagasikara ny medaly olympika

Tonga ny afakomaly teto Madagasikara ireo delegasiona malagasy Makis Ladies sokajy zandriny, izay avy nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny lalao olympika ho an’ny tanora (JOJ), izay natao tatsy Dakar teo. Tsiahivina fa ny taranja rugby lalaovin’olona fito izany, nitondra medaly olympika voalohany ho an’i Madagasikara.

Partager sur: