Fivoriamben’ny holafitry ny infirmier : Nizara traikefa ny manampahaizana vahiny

Nikatona tao Morondava, ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriamben’ny holafitry ny infirmier eto Madagasikara na Conseil de l’Ordre National des Infirmiers de Madagascar (Conim), izay naharitra ha­teloana. Amin’ny maha mpikambana feno ny Conim ao amin’ny Conseil International des Infirmières (CII), manampahaizana maro avy amin’ny firenena vahiny no nandray anjara tamin’ny fihaonana ka anisan’izany i Canada, Nige­ria, Burundi, Arabie Saoudite, France…, araka ny fanazavan’ny filohan’ny CONIM, Andrianarison Botosera Jean Aimé. Nisy ny fifanakakozana sy fizarana traikefa niarahana amin’ireo manampahazaina vahiny ireo momba ny tontolon’ny asa maha infirmier sy ny hoaviny. Nandray anjara ny solontenan’ny holafitra isaky ny faritra manerana ny Nosy ka manodidina ny 500 ireo niatrika ny fivoriambe tao amin’ny Espace Chris. « Haverin­tsika amin’ny hasiny ny infirmier » ny lohahevitra nitondrana ny fihaonana miaraka amin’ny dinika momba ny asan’ny infirmier. Diabe niainga teo amin’ny CAPJ Morondava no nisantarana ny hetsika. Ny lehiben’ny faritra Menabe, lieutenan­t-colonel Aunezifort Philippe no nanokatra ny fihaonana.
Nanohana nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao ny fitondram-panjakana sy ny minisitry ny Fahasala­mam-bahoaka ary ny Conim.

Vonjy

Partager sur: