Fiheverana ny fahafatesana : Nahafantarana tantara ny loabariandasy

Notanterahina teny amin’ny Efitrano Dox, Tranom-bokim-pirenena Anosy, ny fa­ran’ny herinandro teo, ny loabariandasy, nandinihana ny lohahevitra “Ny Fiheverana ny fahafatesana eo amin’ny amin’ny malagasy: Lovan-tsaina, Finoana sa fomba fijery miovaova?”. Tonga maro ny mpanatrika ary nahafantarana tantara ity loabariandasy ity. Ni­fandimby nitondra ny heviny sy ny fomba fijeriny izany fahafatesana izany ireo mpanao famelabelaran-kevitra, nahitana an-dRandrianalidera Radoniriana Robin, mpitandrina eo anivon’ny FJKM, eo ihany koa i Zoky Tahina Hebrio, mpankasitraka fomba gasy miaraka amin’ny finoana Hebrio ary Randrianirina No­menjanahary Herizo (Saka­be), mpandala fomba. Nentina nanome lanja ny haren-tsaina marolafy sy nanome sehatra ny literatiora sy ny fomba amam-panao ity loabariandasy ity, izay natolotry ny minisiteran’ny Serasera sy ny Ko­lontsaina, nokarakarain’ny Fa­moloana Telozoro.

Mi.Raz

Partager sur: