Nitohy ny herinandro teo ny fitsidihan’ny loholona, i Eddie Fernand ny tany Sava. Niatrika hetsika samihafa tany an-toerana ny tenany. Nivoitra tamin’izany ny famoahana ireo polisy monisipaly, tao Antalaha. Nankasitraka ny fanatrehany izany ireo nandray fitenenana. Zava-dehibe rahateo ny fampanjakana ny fandriampahalemana. “Porofo izao fa miahy mandrakariva ny kaominina ny Antenimierandoholona amin’ ny alalan’ireo fanamafisana traikefan’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana”, hoy izy ireo. Nambaran’ity loholona ity fa vonona amin’ny fanohizana izao hetsika izao ny tenany. Mitondra ny anarana « Jaofeno Florent » ity andiana polisy monisipaly ity noho ny lazan’izany fony fahavelony. “Nanaja sy tia ny asany ka nisafidianana io anarany io izao andiany voalohany izao”, hoy izy.
Nitohy tamin’ny fambolen-kazo niarahana tamin’ny Cosef tao Ambinanifaho izany. Teo koa ny fankalazana ny 8 marsa. Anisan’ny nandaha-teny tamin’izany ny vadiny, i Fleurica Tsarasoa Fernand ka nanomezany hery ny vehivavy rehetra ary noporofoina fa afaka mandray andraikitra izy ireo. “Efa maro ireo mitana toerana ambony eto amin’ny firenena. Manana adidy koa izy ireo amin’ny tokantrano. Anisan’izany ny fanabeazana”, hoy izy. Nentaniny ny vehivavy hijoro sy hiray feo hiady amin’ny herisetra.
Synèse R.