Hiverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika afaka hateloana indray ilay rivodoza Freddy. Mangatsiaka ny maripanan’ny ranomasina ao ka heverina fa tsy hitombo hery izy, hoy ny teknisianina ao amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Arahi-maso ihany ny fivoarany sy ny mety ho fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto amintsika.
Ny Varatraza no handrafitra ny toetry ny andro hatramin’ny anio. Hitoetra ny rivotra avy any avaratra saika manerana ny Nosy aorian’ izay. Hanome vahana ny oram-baratra amin’ny faritra maro manerana ny Nosy izany amin’ ny ankapobeny. Hanorana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka ny any Melaky, Sofia, ny afovoan-tany, ny ilany atsinanana ary ny tapany atsimon’ny Nosy, ny takariva sy ny alina amin’ny tapany faharoa amin’ny herinandro. Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro any amin’ny faritra sisa.
Vonjy