Fiaraha-miasa amin’i Egypta : efa miroso ny fanamboarana ny lalambe migodana Tana-Toamasina

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara ta­min’ny filohan’ny Repobli­ka, Rajoe­lina Andry, teny amin’ny la­pam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoro vaovaon’ny Repoblika Arabon’i Egypta, Rabab Said Abdou Abdelhadi.
Efa an-taonany maro no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’i Egypta sy i Madaga­sikara. Eo amin’ny sehatra maro izany toy ny fambolena, ny fahasalamana, ny fa­norenana fotodrafitrasa ma­nondraka tanimbary, ny sehatry ny fahasalamana… Ani­san’ny goavana amin’izany amin’izao fotoana izao ny firosoan’ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’i Toamasina sy Anta­nanarivo, izay orinasa egyptianina Samcrete no manao azy.
Samy naneho ny fahavononany ny hanamafy orina hatrany ny fiaraha-miasa ny firenena roa tonta. Nilaza ny ambadaoro vaovao fa naneho ny fahavononany ihany ny sehatra tsy miankina sy ireo mpamatsy vola egyptianina ny hampiroborobo sy hijery miaraka ireo lalam-piaraha-miasa hanatsarana izany fifandraisana izany. Mba hisitrahan’ny roa tonta tombontsoa.
Mahaliana azy ny hamantatra ny kolontsaina malagasy mba hahamatotra kokoa hatrany ny fiaraha-miasa sy hisian’ny fifanakalozana.

Fiaraha-miasa amin’ny Repoblika islamikan’i Iran

Nisy koa ny fandraisan’ny filoha Rajoelina ny tara­tasy fanendrena ny amba­sadaoron’ny Repoblika islamikan’i Iran, i Hassan Ali Bakhshi, izay hisahana an’i Madagasi­kara, i Maurice sy i Seychel­les ary i Comores. Efa 40 taona kosa nisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Efa mpi­andraiki-draharaha teo anivon’ny masoivohon’i Iran eto Madagasikara nandritra ny telo taona izy, ary mahafantatra ny zava-misy eto an-toerana. Noho izany, nanolotra tetikasa hiara­han’ny firenena roa tonta manatontosa izy. Anisan’ iza­ny, ohatra, ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny jono, ny sehatry ny fahasalamana, ny fanorenana fotodrafitrasa…

R. Nd.

Partager sur: