Anisan’ireo nandray anjara amin’ilay adihevitra momba ny fitarazohana na fahasarotana ary ny kolikoly eny amin’ny fitsarana, ny filohan’ny CSI, Rabenarivo Sahondra, omaly. Nohitsiny fa mijanona ho teny faneva fotsiny ihany ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly “Tolerence zéro”, dradrain’ny mpitondra. “Tokony hampiharina ny lalàna ary omen’ireo mpitantana samihafa ny alalana ahafahana manenjika ireo tsimatimanota”. Zary lasa sakana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny tsy fahasahian’ireo tompon’andraikitra manao sonia ny hanenjehana ireo olona eo ambany fiadidiany”, hoy izy. Notanisainy amin’izany ny tsy fanomezan’ny birao maharitra ny alalana ahafahana manenjika ireo depiote na ny loholona, manao fandikan-dalàna. Tahaka izany koa matetika ny eny anivon’ny ladoany sy ny hetra na koa ireo tomponandraikitra ambony ao amin’ny fananantany. Ny polisy na zandary. Tsy manao sonia ahazoana alalana mba hahafahana manenjika ny olony izy ireo.
Ferana ny fe-potoana hamaliana…
Nitondra sosokevitra anefa ny eo anivon’ny CSI ka nilaza fa tokony hamoraina ny fampiharana ny lalàna. “Ferana tsy maintsy valian’ireo tompon’andraikitra ireo anaty fotoana fohy, iray volana ohatra ny taratasy fahazoan-dalana afahana manenjika ny olony nihoa-pefy. Tokony hitovy avokoa ny rehetra amin’izany”, hoy ihany izy. Nanteriny fa mampahazo vahana ny tsimatimanota izao fomba fiasa izao ary sakana tanteraka iadiana amin’ny kolikoly sy anomezana tsiny ireo rafitra na sampandraharaha, miady amin’izany fahalovana izany, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.