Tolom-panafahana 1947: hiavaka ny hetsi-pahatsiarovana amin’ity taona ity

Maro ny hetsi-pahatsiarovana ny tolom-panafahana amin’ity taona ity. Mba hameloma-maso ny tantara sy hampitana ny fitiavan-tanindrazana amin’ny taranaka rehetra.

Fahatsiarovana ny faha-76 taonan’ny tolom-panafahana. Hiavaka ny hetsi-pahatsiarovana ataon’ny Fitaleavan’ny mpiady tia Ta­nindrazana (DCN) eto amin’ny Nosy amin’ity taona ity. Hankalazaina manerana ny faritra telo eto amin’ny Nosy ny ivon’ny fankalazana. Eny amin’ny fasan’ny mahery fo etsy Mausolée sy ao Mora­manga ary ao Manakara. Ho­sokafana amin’ny fomba ofisialy eny amin’ny zaridai­nan’Anosy izany ny 22 marsa izao. Hampirantiana eny Ano­sy ny momba ny tolona rehetra nisy hatramin’ny 28 marsa izao. Hisy ihany koa ny fampirantiana eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa miisa 6, toy ny Lycée Fenoarivo, Sa­bo­tsy Namehana, Ambohi­manga, Ambohidratrimo, An­dralanitra ary Andoharano­fotsy. Tanjona ny hamelo-ma­so ny tantara sy hampitana ny fitiavan-tanindrazana na­na­nan’ireo mpitolona tamin’izany ho an’ny taranaka aty aoriana.
Tsiahivina fa niresaka tamin’ny mpanao gazety izy ireo, omaly. Nampahafantatra ireo endriky ny fanamarihana rehetra ireo. Nitarika ity va­landresaka ity ny Jly Dera­masinjaka Manantsoa, Di­recteur général des organismes de Défense eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Efa miofana etsy Analakely amin’izao fotoana izao izy ireo.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: