Handray olona hiasa miisa 400 ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Fantatra izany, araka ny naoty laharana 410- 2022/ METFP/SG, ny 14 oktobra 2022, ary nohamafisina tamin’ny alalan’ny tolotra ho an’ireo rehetra liana AMI, laharana 060- 2023/ METFP/ SG navoakan’ny ministera.
Mpiasa vaovao 400 isa no horaisin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ny 222 amin’ireo no ho mpampiofana eny anivon’ny toeram-pampianarana sy ny fanofanana teknika sy arak’asa, na hiasa eny anivon’ireo tetikasa hiarahana amin’ny mpiara-miombon’ antoka teknika sy ara-bola samihafa.
Ireo 178 kosa dia hanampy an’ireo mpiasa misahana ny fandraharahana sy fitantanana ao amin’ny minisitera foibe sy ny sampany isam-paritra ary eny anivon’ireo toeram-panofanana samihafa.
Ny masontsivana takiana dia ny olona feno 21 taona hatramin’ny 45 taona. Manana diplaoma mifandraika amin’ny asa tadiavina ka Bacc +3 ho an’ny te ho mpampiofana eny amin’ny CFPR sy ny lycée teknika, fanofanana arak’asa.
Mila manana ny diplaoma bakalorea ho an’ny hanofana eny amin’ny ivontoeram-piofanana arak’asa CFP.
Anatin’ny fanofanana arak’ asa ny momba ny angovo azo havaozina, ny asa fanorenan-trano sy ny asa vaventy, ny fampandrosoana ambanivohitra, ny fizahantany, ny fisakafoana, ny teknolojia TIC, ny fampiatiana ara-tsosialy, ny fampandrosoana indostrialy sy ny maro hafa.
Mila manana ny diplaoma BEPC kosa ho an’ny mpandraharaha teknika. Ho an’ny mpiasa hisahana ny fandraharahana teknika indray dia misy ny hisahana ny asan’ny mpiambina, mpanadio, sekretera.
Takina amin’ireo mpitady asa ny fahaiza-manao eo
amin’ireo tolotrasa ireo. Tsy maintsy mahafantatra tsara ny zava-misy any amin’ny faritra hanendrena azy ireo te hiasa, mahay teny frantsay tsara, mahafehy ny fitaovana informatika sy ny internet miampy ireo fepetra hafa takina arakaraky ny asa.
Faritra maromaro no hanendrena ny mpiasa ka anisan’izany Sava, Diana, Sofia, Boeny, Analanjirofo, Atsinanana, Analamanga, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy.
Tatiana A