Rehefa tsy mianatra ny ankizivavy, 15 ka hatramin’ny 30 miliara dolara ny tetibidin’ny fahavoazana maneran-tany satria tsy afa-namokatra nampandroso ny toekaren’ny firenena izy ireo.
Nifarana omaly ny 100 andro hanaovana asa ho an’ny tovovavy sy ny vehivavy malagasy, natomboka ny 25 novambra teny Ankorondrano. Sehatrasa telo no hisafidianan’ny fikambanana na fiarahamonina sivily na orinasa na olon-tsotra hitondrana tohana ho an’ny ankizivavy sy ny vehivavy. Fanabeazana, fahazoana asa mendrika ary ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy no nilana fandraisana andraikitra tao anatin’ny 100 andro. Hetsika niarahan’ny filohan’ ny fikambanana Fitia, Rajoelina Mialy sy ny solontenan’ ny Banky iraisam-pirenena, Marie Chantal Uwanyiligira. 18 ny fikambanana sy orinasa namaly ny antso ka nandray andraikitra tao anatin’ny telo volana ary mbola hitohy.
Hetsika niavaka no nataon’ny filohan’ny fikambanana Fitia, nanofana vehivavy 460 avy amin’ny faritra 23 teto Antananarivo. Nahandro sy fanamboarana mofomamy no niofanana, mbola vehivavy ihany fa tantsaha 43 indray no nofanina momba ny fampiasana teknikam-pambolena ahazoana vokatra betsaka amin’ny velarana misy eo am-pelatanana. Notolorana “kit de démarrage” izy ireo ahafahany mampihatra ny lesona nifampizarana. “Rehefa mianatra ny ankizivavy, mahaleo tena izy rehefa lehibe ary afaka misafidy asa hahafahany mivelatra sy mampidi-bola”, hoy Rajoelina Mialy. Miantso ny ray aman-dreny handefa ny zanany vavy any an-dakilasy ny tenany.
Tetikasan’ny Banky iraisam-pirenena
Manana andraikitra hanatsara ny fanabeazana ny zazavavy koa ny Banky iraisam-pirenena ka nametraka tetikasa aty Afrika hampahaleo tena ny vehivavy sy hanamafy ny fahaizan’ny tovovavy miatrika ny lafim-piainana rehetra. Hiantefa amin’ireo firenena aty Afrika Atsinanana ny tetikasa ka tafiditra ao i Madagasikara. Hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Gem) ary ny minisitera voakasiky ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy.
Vonjy A.
Bado avokoa ny iray ampahatelon’ny vehivavy malagasy, vehivavy iray amin’ny 10 ihany no manana asa anatin’ny sehatra manara-drafitra. Tovovavy iray amin’ny roa no manam-bady mialoha ny faha-18 taonany ary tafiditra amin’ny firenena 20 manana taha ambony amin’ny fanambadiana aloha loatra i Madagasikara.