Hopitalim-panjakana : hatsaraina ny fomba fandraisan’olona

Manaraka fiofanana ha­natsarana ny fomba fiasany ireo ekipan’ny sampana vonjy aina eny amin’ny hopitalim-panjakana. Hampihatra avy hatrany ny fomba fiasa vaovao izy. Mila hita mison­gadina ny fiovana ka ireo manan-draharaha momba ny fitsaboana eny amin’ny ho­pitaly no hahatsikaritra izany voalohany.
Hitohy amin’ny sampandraharaha hafa ny fiofanana hisian’ny fanatsarana hatramin’ny sehatry ny fandrai­san’olona.
Tanjon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana eny anivon’ny hopitalim-panjakana izay tena mampitaraina ny olona.
Manao fanamby goavana, araka izany, ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka ny hisian’ny fiovana tsara ka hanisy lanja manokana ny fandraisan’olona.
Tokony hahazo ny toromarika rehetra tsotra sy ma­homby ireo manana ny ma­rary tonga eny amin’ny hopi­taly. Mahavaly ny fanontaniana ny tomponandraikitry ny fandraisan’olona fa tsy hanilikilika sy hampivezi­vezy mandany fotoana. An­koa­tra izany ny fahalalam-pomba na amin’ny fomba fiteny, fihetsika, fijery izay bitika indrindra takina amin’ ny asa fandraisan’olona na amin’ny sehatra inona na amin’ny toerana aiza.
Miandry ny vokatry ny fampiofanana, araka izany, ireo mitondra marary eny amin’ny hopitalim-panja­kana ary manantena fiovana tsara.

Tatiana A

Partager sur: