Tetikasa Haratonaina : manovo fahalalana ao Rwanda ireo talem-paritra sy ny Fid

Herinandro ny faharetan’ ny fifanakalozan-kevitra ataon’ireo talem-paritry ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy miaraka amin’ny Fid, any Kigali Rwanda. Miompana amin’ ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fampiroboroboana hisian’ny fahombiazana eny ifotony no anton’ ny fifampizarana traikefa.
Efa lasa lavitra i Rwanda amin’io sehatry ny fiahiana ara-tsosialy io ary ahitam-bokany misongadina ny he­tsika sy ny paikady entin’ny firenena manatanteraka izany. Maka traikefa, araka izany, i Madagasikara hampiharina sy hampifanarahana amin’ny zava-misy eto an-toerana.
Ireo mpiantsehatra mi­vantana amin’ny fiahiana ara-tsosialy mihitsy no nalefa hihaona amin’ireo miantsehatra sosialy any amin’ity fi­renena ity hanamorana ny fampitana sy hahafahana mampihatra avy hatrany ny traikefa.
Tanjona ny fanatsarana ny sehatra fiahiana ara-tsosialy, indrindra ny fanatanterahana ny tetikasa “Harato­naina” eto Madagasikara, izay anisan’ny imasoan’ny minisiteran’ny Mponina amin’izao fotoana, amin’ ireo distrika maro manerana ny Nosy.
Mitarika ireo delegasiona any Rwanda ny talen’ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina, Ratovomamonjy Anja Hobiniaina.
Marihina fa ny “Harato­naina” dia tetikasan’ny fi­tondram-pankajana malagasy, arindran’ny minisiteran’ ny Mponina, tanterahin’ny FID eny ifotony, ka ny Banky iraisam-pirenena no mamatsy azy ara-bola.

Tatiana A

Partager sur: