Nihaona, tsy azo natrehin’ny mpanao gazety teny Ambohimanambola ny etamazaoro politika maromaro, ny zoma teo. Tsy nisy nipika ny dinika, izay naharitra ora efatra.
Fikaroham-bahaolana isorohana korontana! Nanatanteraka fikaonandoha ny mpanohitra ny zoma lasa teo, teny Ambohimanambola. Nisongadina ny handraisan’izy ireo andraikitra noho ny fahitana fa misedra olana ny vahoaka sy ny firenena. “Tsy fanonganam-panjakana izao ataonay izao. Mila miomana isika mba tsy hiverenan’ny krizy indray. Tanindrazana iombonana ity. Tsy afaka ny hitazam-potsiny izahay ka hamela ny firenena ho potika noho ny fifidianana”, hoy ny mpandrindra ny HVM, Rakotovao Rivo, nitatitra fohy ny ampahan’ny fihaonana.
Re tsilian-tsofina, anisan’ny fitakin’izy ireo ny hanafoanana ny Ceni sy ny HCC misy ankehitriny. Manahy hala-bato sy hosoka amin’ny fifidianana ny mpizaika. Voalaza fa tsy mbola any amin’ny fampitambaran-kery na firotsahan-kofidiana ny resaka natao.
Tsy tonga ny mpanohana
Tsiahivina fa tsy tonga niatrika ny fivoriana teny Ambohimanambola ity ny solontenan’ny mpanohana ny fitondrana. Nanohina ny antso ny filoha teo aloha isany : Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Torak’izany koa ny depiote Voninahitsy sy ny kandidà Paraina Auguste. Samy nandefa solontena ny ekipan-dRandrianasoloniaiko Siteny sy ny MMM, tarihin’Andrianainarivelo Hajo, ary ny MTS an-dRatsiraka Roland.
Etsy andaniny, nankasitrahan’ireto mpanao politika ireto ny dingana hirosoana amin’ny fihaonamben’ny hery velona ho tanterahana amin’ity herinandro ity. Anisan’ny teboka, efa nanaovan’ireo antoko politika antso avo izany.
Anisan’ny fandaharam-potoan’izy ireo, amin’ity herinandro ity ny fihaonana
amin’ny Frankofonia (OIF).
Synèse R.