Nanapaka ny tadipoitrany amin’ny mpitondra ireo depiote tsy miankina. Diso fanantenana amin’izao fitondrana izao ny maro amin’izy ireo, araka ny lahateny tany Tsiroanomandidy ny herinandro teo. Anisan’ny nanambara izany ny depioten’i Fenoarivo Atsinanana, Mohamad Ahmad sy ny avy any Mananjary, Mamihaja Charlot. Samy nanitrikitrika ny mpandaha-teny fa tsy araka ny nampanantenaina ny zava-misy na anisan’ny nametraka izao fitondrana izao aza izy ireo. “Noravana tao anatin’ny 5 taona ny vita tao anatin’ny 60 taona… Tapitra ny fiarahanay amin’izao fitondrana izao. Tsy olonareo intsony izahay”, hoy izy ireo.
Miantso an’i Siteny…
Anisan’ny tany an-toerana, efa mirona any amin’ny fiantsoana ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ho kandidà filoham-pirenena, ny depiote Jaosera Irené, avy any Analalava; Voninahitsy Jean Eugène, avy ao Morafenobe; Rasidimanana, voafidy tany Manakara, ary ny depioten’i Vohemar, Edizard. Ankoatra izay, nilaza ny solombavambahoaka voafidy tao Tsiroanomandidy, Raholijaona Harison: “Mbola ampahany ihany ireo fa maro ny depiote hanara-dia anay”.
Tsiahivina, tafiditra amin’ny hetsika “Mihava Tour”, ataon’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ho an’ny faritanin’Antananarivo ity famoriam-bahoaka ity. Anisan’ ny nambarany, ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy.
Synèse R.