Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny filoham-boninahitra sy ny filoha ary ny biraon’ny Vehivavy Malagasy miara-miainga (VMMM), ny herinandro teo. Nampahery ireo vehivavy tsy mba afaka niara-nankalaza ny 8 marsa noho ny sakantsakana samihafa izy ireo. “Teo koa ny fampanantenana ny fanemorana ny hanamarihana sy hankalazana izany nefa tsy noraiketina akory. Voatohintohina tokoa ny fahalalahana amin’izany ary indrisy fa tsy mandroso isika. Lasa mihemotra satria efa fanitsakitsahana ny zontsika vehivavy sahady izany”, hoy izy ireo.
Na izany aza, nankasitraka sy nisaotra ireo mpitarika sy mpikambana VMMM manerana ny Nosy ny birao foibe noho ny fahatanterahan’ny hetsika sy fanamarihana ny 8 marsa, ho an’ireo afaka nanao izany.
Synèse R.