“Tsy tokony hametraka olana isika na ao anatiny na ivelan’ny fitondram-panjakana: tokony hatoky ny rafitra misy eo”, hoy ny tale jeneralin’ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika, Andriamananoro Augustin.
Tsy tokony hanana ahiahy izany, ka hanosika ny tena na ho voatosika amina savorovoro, hiteraka tsy fitoniana. Efa sahirana isika. Eo ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny loza voajanahary… “Tsy mendrika raha isika tomponandraikitra tsy manana fahendrena mitsinjo lavitra hoe: andao hiroso amin’ny fitoniana isika”, hoy izy.
Avelao handeha amin’ny rafi-pitantanana sy andrimpanjakana efa nametrahana ny firosoana amin’ny fifidianana. Samia miomana amin’ny enti-manana, samia manetsiketsika ny fototra.
Efa misy ny kandidà mihetsiketsika any amin’ny tambajotran-tserasera, ny haino aman-jery… Efa nilaza ny filohan’ny Repoblika fa vonona hiantsehatra, tsy matahotra ronono mandroatra etsy sy eroa… Ao anatin’ny fanajana tanteraka ny demokrasia sy ny fahalalahana no anaovana an’izay.
Efa nampiseho ary maodely isika amin’ny fampiharana ny demokrasia. Ny taona 2013 sy 2018, irariana amin’
ity taona 2023 ity: hijoro mari-pahamendrehana nametrahana izany fanjakana tan-dalàna, rafitra demokratika… Ny fanomezana an-kalalahana ny vahoaka ny fahefana hisafidy ny ho mpitondra.
R. Nd.