Manoloana ny fanatsarana takin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Miara-mitady ny vahaolana ho an’ny tontolon’ny oniversite ny minisitera sy ny fikambanan’ny mpianatra.
Nihaona tamin’ny fikambanana sy ny mpitarika ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 ny minisitra Assoumacou Elia Beatrice, ministry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, ny faran’ny herinandro teo. Mbola nidinika niaraka tamin’ny fikambanan’ireo mpianatra monina eny amin’ny Cité Ankatso I sy II, Ambohipo, Ravitoto ary Ambolonkandrina ihany koa ny tomponandraikitra. Nahafahana namaritra ny fomba fifandraisana izay nanamafisana orina ny maha-fianakaviambe iray ny fampianarana ambony ireo fihaonana. Nomen-danja ny fifanatonana sy fifanakalozan-kevitra.
Andaniny, nisy ny toro-marika ombam-pananarana niampy torohevitra ho an’ny mpianatra. Ankilany, nohenoina ankalalahana ny taraina sy hetahetan’ireto farany. Voaresaka avokoa ny zava-misy eo amin’ny tontolo iainan’ny mpianatra monina eny amin’ny Cité. Anisan’izany ny fahafaha-misitraka trano amin’ny toeram-ponenana vaovao vao naorin’ny fanjakana ankehitriny. Ho jerena ny fanarenana ireo trano may. Torak’ izany ny fikojakojana azo atao amin’ireo fotodrafitrasa mbola mijoro sy misy mipetraka. Hiantsoroka izany ny ministera.
Niaraha-nandinika koa ny olan’ny jiro sy ny rano, ny momba ny toeram-pidiovana sy fivoahana, ny tontolo manodidina ny toeram-ponenana. Homena tan-tsoroka ara-pitaovana ireo fikambanan’ny mpianatra monina eny amin’ny Cité hoentiny manatanteraka ny fanadiovana faobe izay efa fanaony. Ankoatra ny fampitoviana ny fomba fijery manoloana ny olana misy, nahafahana namaritra lamina iombonana ho famahana izany ny fihaonana.
Tsy ho an’ny oniversite eto Antananarivo ihany ny dinika fa hisy koa ny fihaonana any amin’ny toeram-pampianarana hafa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa .
Tatiana A