Fahasalamam-bahoaka : manampahaizana 237 nahavita fianarana

Nivoaka ny zoma lasa teo ny mpianatra miisa 237, avy amin’ny sekoly ambony tsy miankina, InSPNMad. Nisa­lotra ny anarana «Meva» ity andiany ity. Nahitana mpampivelona miisa 119, mpitsabo mpanampy 99 mianadahy, teknisianina amin’ny fanaovana fitiliana «technicien de laboratoire» miisa fito, ary mpitsabo amin’ny alalan’ny otra «kinésithérapeute» miisa 12.
Notanterahana teny amin’ ny «Centre de conférences internationales», Ivato ny lanonam-pamoahana azy ireo. Nanatrika izany ny lehiben’ny holafitry ny mpampivelona, sy ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsabo mpanampy (SISFM), ary ny tale jeneralin’ny sekoly, Atoa Razanadrakoto Ro­land Albert. Ity farany izay nilaza fa «Afaka miasa avy hatrany ireto mpianatra ni­voaka ireto. Afaka manokatra orinasa ihany koa. Ankoatr’ izay, maro ny firenena manafatra mpianatra nivoaka tato amin’ny sekoly, nandritra izay taona maro nijoroany izay».

Randria

Partager sur: