Nahafaty olona iray indray ny valanaretina covid-19 tao anatin’ny herinandro (11-17 marsa). Mahatratra 30 kosa ireo trangan’aretina vaovao hita tamin’ireo olona 260 nanaovana fitiliana. Eto Analamanga avokoa ny 23 amin’ireo olona nahitana ny tsimokaretina. Olona 6 kosa no fantatra fa misy tsimokaretina any Vakinankaratra ary 1 any Atsinanana.
Midika izany fa tsy mbola foana ny aretina, mbola mamono mihitsy.
Tsy tokony ho varimbariana, araka izany, fa mila mailo sy mitandrina hatrany. Ireo voan’ny gripa, mila mitokatokana mba tsy hamindra amin’ny hafa. Ireo marefo, indrindra indrindra, tokony hiaro vatana mba tsy ho tratran’ny aretina satria mora hisehoan’ny tranga misy fahasarotana ary mety hiafara amin’ny fahafatesana mihitsy aza.
Tao anatin’ny 3 taona nisian’ny valanaretina teto Madagasikara, mitontaly 67.971 ireo olona efa tena voaporofo ho nitondra ny tsimokaretina. 66.520 tamin’ireo sitrana avokoa. Olona 1.424 kosa no nindaosin’ny fahafatesana.
Tatiana A