Na nivoaka aza ny mpanohitra… : tsy voatohintohina ny dinika notarihin’ny Ceni

Tsy nanakana ny firosoan’ny dinika teo anivon’ny Ceni ny nivoahan’ny mpanohitra ny efitrano, omaly teny Alarobia. Voaresaka ny dingana samihafa momba ny fitsirihana ny rindrambaiko.

“Hanao ny fitsirihana ireo dingana nenti-nanatanteraka ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy no anton’ny fivoriana. Ny rindrambaiko ampisaina amin’izay no niarahana ni­fanakalo hevitra amin’izay fomba hahazoana miroso amin’izay fitsirihana izay.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andria­marotafika Soava, teny Ala­robia, omaly, manoloana ny fivoahan’ny vondrona mpanohitra ny efitrano talohan’ ny nanombohan’ny fandinihana ny dingana sy fomba amin’ny fitsirihana ny rindrambaiko amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, teny Alarobia, omaly.

Ny fanazavana nentin’ny mpanohitra na ny hetahetany no nodinihina. Niangaviana mba hijanona na tapak’andro ihany aza ry zareo. Ao anatin’izay hodinihina ny zavatra nangatahiny. Nefa nialany tsiny, efa izay ny fanapahan-keviny. Na izany aza, tsy nisy manohintohina ny fihaonana ny fivoahan’ izy ireo. Dingana voalohany izao fitsirihana izao, izay ha­tramin’ny 23 marsa. Amin’ ny volana jona ny dingana faharoa, famaranana tante­raka ny lisi-pifidianana.
Mbola ao anatin’ny adihevitra ny amin’ny dingana arahina sy ny fomba atao ny omaly, izay misy fanama­rinana sy fanatsarana avy amin’ny mpandray anjara. Anio no tena firosoana amin’ ny fitsirihana tanteraka. Nandray anjara tamin’ny dinika ny teknisianina avy amin’ny firaisamonina sivily. Teo koa ny avy amin’ny an­toko politika sasany, fa tsy hoe nivoaka avokoa ny mpisehatra politika rehetra.

R. Nd.

Partager sur: