Fakan-kevitry ny Ceni : handray anjara ny Hiffim

“Ny rafi-pifidianana sy ny rafi-panjakana no tsy mety, mahatonga an’izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao. Tsy azo tohizana intsony izany ary tokony tsy ho azo leferina”, hoy ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, teny Alarobia, omaly, momba ny hahatongavan-dry zareo amin’ny fiantsoan’ny Ceni ny mpisehatra amin’ny fifidianana amin’ny 24 marsa ho avy izao.
Tokony hahatsapa tena avokoa ny mpanao politika rehetra, ny manam-panahy, ny manampahaizana eto amin’ny firenena… Mba samy handray andraikitra hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny rehetra, araka ny nambarany. Izay no hahazoana mametraka rafi-dalàna sy rafi-pitondram-panjakana mifanaraka amin’ny hetahetan’ny vahoaka malagasy mahatonga fampandrosoana.
“Heverinay tokony ho tonga saina sy hahatsapa ny Ceni amin’izao fotoana izao fa miandany, fa hanao izay hahatanteraka raharaham-pirenena amin’izao”, hoy izy. Voalohany amin’izany ny fametrahana lalàna azo hanaovana fifidianana. Mila hahitsy sy hamboarina ny lalàna. Mba tena olona azo toky no mikarakara fifidianana eto amin’ny firenena. Ny mahatonga ny antoko sasany hoe ravana ny Ceni, tsy matoky izy. Raha vao hapetraka ny rafitra hahazoan’ny Ceni miasa araka ny tokony ho izy sy mangara­hara ary tsy mitongilana, inona no olana? Ny rafi-dalàna no mitondra azy, ka izay aloha no tokony hahitsy.

R. Nd.

Partager sur: