Dinika momba ny fifidianana : tsy handray anjara ny MFM

Namoaka fanambarana, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, ny eo anivon’ ny antoko MFM, amin’ny alalan’ny mpitarika, Rakoto­vazaha Olivier, omaly. “Tsy ho avy hanatrika ny fihaonambe karakarain’ny Ceni izahay. Tsy mba anisan’ny no­raisin’izy ireo ny tolo-kevitray ka tsy ho tonga hanamasina ny tsy fahombiazany ny MFM”, hoy izy. Nohi­tsin’ izy ireo fa tokony haverina ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifiaiana. Tsy azo itokisana io nataon’ny Ceni io, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Tsiahivina fa efa natsi­diky ny Ceni, ny herinandro teo teny Ambohimanarina, ny hanatanterahana ny fi­haonambe eo amin’ireo mpisehatra ny fifidianana, ny 24 marsa izao. Nialohavan’ny fitsirihana ny rindrambaiko ho an’ny kajy mirindra “Logi­ciel” eo anivon’ny Ceni, no­tanterahina omaly, teny Ala­robia izany. Niarahana amin’ ny eo anivon’ny Frankofonia (OIF), hitohy hatramin’ny rahampitso. Hitohy amin’ny fihaonambe hotarihin’ny Ceni izany avy eo, hiresa­hana ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana.
Tsy ho anisan’ny handray anjara amin’izany ny eo anivon’ny MFM.

Synèse R.

Partager sur: