Niofana mikasika ny teknika famonoana afo sy ny vonjy taitra mila hatao rehefa sendra loza ireo mpivarotra sakafo masaka eto Antananarivo Renivohitra. Nanofana azy ireo ny ekipa avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana, nampahafantatra ny tokony hatao mandritra ny loza.
Nandritra ny 4 andro ny fiofanana mba hanomanana tsara ny mponina amin’ny fiatrehana ny firehetana sy hifehezana izany. Nifandimby tamin’ny fampianarana ara-teorika sy ny fampiharana ireo mpandray anjara, ary niafara tamin’ny fanadinana ho an’ireo afaka.
82 ny mpandray anjara nahavita ny fiofanana, izay efa vonona hiditra an-tsehatra raha sendra misy loza.
Tsara lavitra anefa ny fisorohana ny loza sy ny fahamailoana tsy hisian’ izany. Hitohy ny fanaovana ireo fiofanana samihafa ho fanamafisana ny fiarovana ny mponina eto Antananarivo.
Tatiana A