Nanokatra ny fanamarihana ny faha-45 taona niorenany ny CEG Ivato, ny faran’ ny herinandro teo. Tamin’ izany no nanaovan’izy ireo antso avo amin’ny filoham-pirenena ny hamitana ny fotodrafitrasa vaovao sy ny fanavaozana izay nampanantenainy tamin’ny taon-dasa.
Efa tena tranainy ny fotodrafitrasa amin’izao fotoana. Nilaza ny talen-tsekoly fa efa tandindonin-doza ireo mpianatra amin’ny efitranon-tsekoly sasany noho ny fahanteran’ireo hazo mitondra ny tafo. 14 ny efitranon-tsekoly ianaran’ny mpianatra miisa 1.300. Mizaka mpianatra 85 ny efitrano iray ary tena sahirana na ny mpampianatra aza amin’ny fanaraha-maso ny mpianatra. Tsizarizary ny fotodrafitrasa ianaran’ny mpianatra.
Niteraka faharatsian’ny tahan’ny fahafaham-panadinana izany raha ny tombana nataon’ny mpampianatra. Talohan’ny taona 2010, anisan’ny sekoly tena sangany tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny CEG Ivato. Nitotongana anefa izany nanomboka teo satria nihena hatrany ny tahan’ny afa-panadinana noho ny fitombon’ny mpianatra tafahoatra sy ny tsy fahatomombanan’ny fotodrafitrasa. Tsy manana toerana fialamboly sy trano famakiam-boky ny sekoly. Tsy misy toerana hanaovana fanatanjahantena.
Efa nidina ifotony niaraka tamin’ny ekipany ny governoran’Analamanga nijery ny zava-misy marina ary nahatsapa fa tena farahidiny ny CEG Ivato amin’ny fotodrafitrasa. Nampanantena ny handray an-tanana ny fanarenana azo hatao sy ny fananganana vaovao ny fitondram-panjakana tamin’ izany. Miandry izany izahay, hoy ny talen-tsekoly, Andriamiantoana Voninahitra Landry.
Tatiana A