Hotanterahina eny amin’ ny boriborintany voalohany manomboka anio ary haharitra efatr’andro ny fahasalamana manakaiky vahoaka. Ho tonga ao amin’ny Centre NRJ ny dokotera sy ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatanteraka izany, handray ireo olona manao fizaham-pahasalamana.
Tolotra ara-pahasalamana maro no ho hita mandritra io efatr’andro io. Anisan’ izany ny fizahana maso maimaimpoana sy fivarotana solomaso amin’ny vidiny mora, fandanjana zaza sy torohevitra ara-tsakafo ary varotra koba aina. Anisan’ny tena andrasan’ny maro koa ny fitiliana diabeta maimaimpoana sy fizarana fanafody maimaimpoana. Eo koa ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny Covid-19 miaraka amin’ny torohevitra isan-karazany.
Mifanindran-dalana amin’ ireo ny tolotra ara-tsosialy sy tantsoroka ara-tsaina omban’ny torolalana sy fanaraha-maso omena ireo mila izany. Hisy koa ny hetsika ataon’ny fitaleavana ny fahasalamana hanaovana ny
fizaham-pahasalamana ankapobeny, fitiliana VIS/Sida, fitsapana ny tosidra…
Tatiana A