Notontosaina ny zoma teo, teny amin’ny “Escadron transport Arivonimamo” na ny tobim-pamaharan’ny Tafika ana habakabaka 213. Roa sosona ny lanonana ara-miaramila tamin’izany.
Eo ny fandraisan’ny Kly Raminosoa Fetrarivony ny kaomandin’ny toby vaovao, ny fibaikoana ny “base aérienne 213”. Teo koa ny fanaovam-beloma ara-miaramila na “adieux aux armes” ny kaomandin’ny toby teo aloha, ny Kly Randriamampita Niainaharinjato, handeha hisotro ronono. Lanonana teo ambany fitarihan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly Randrianarijaona Mamy, niaraka tamin’ny mazaoro jeneralin’ny Tafika, ny Jly Assany Bemarivo sady nisolo tena ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Delphin. Ny tafika ana habakabaka, anisan’ny manana anjara toerana lehibe amin’ny famonjena ny mpiray tanindrazana satria ity antoko Tafika ity dia nanatanteraka hatrany ny fanaovana “évacuation sanitaire” sy ny fitaomana ireo fanampiana avy amin’ny fanjakana ho an’ny traboina, noho ny fandalovan’ny rivodoza sy ny kere. “Zava-dehibe ny fotoana androany (tamin’ny zoma io) nametrahana ny kaomandin’ny toby famaharana izay manana andraikitra goavana amin’ny fanohanana ireo miaramila an-tanety, fanampiana ireo tantsambo amin’ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny fari-dranomasina malagasy”, hoy ny Jly Randrianarijaona Mamy. Nankasitraka ny kaomandy teo aloha izy sady nirary soa ny kaomandy vaovao amin’ny adidy sy andraikitra ho an’ny Tanindrazana. Tanjona, ny fanamafisana ny fanajana ny fitsipi-pifehezana amin’ny maha miaramila sy ny fifehezana ny tontolo “aéronautique”, ny fijerena akaiky ny fikarakarana ny toby Ivato, Arivonimamo, Antsohihy ary Ihosy, araka ny fanazavan’ny Kly Raminosoa Fetra. Haverina koa ny fiaraha-miasa amin’ireo sivily mikirakira ny tontolo ana habakabaka, raha ny fanazavany hatrany.
Jean Claude