«Tsy maintsy irosoana ny fanorenana tanàna vaovao manodidina an’Antananarivo»,
hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard.
Efa sokajiana eo amin’ny fanairana miloko mena amin’ny fitombon’ny mponina an-tanàn-dehibe i Madagasikara. Toamasina afaka 15 taona dia ho feno 1 tapitrisa ny mponina ao aminy.
Olona 3 hetsy no tokony ho zakan’Antananarivo kanefa efa 1.500.000 ny mponina amin’izao fotoana. Ho lasa 6 tapitrisa isika atsy ho atsy ka ho sahirana. Tsy maintsy atao ny tanàna vaovao.
Miisa 4 ny tanàna vaovao manodidina an’Antananarivo. Anisan’izany ny any Anosiavaratra sy ny manodidina ny By Pass sy Ambohimanambola iny.
Miara-dalana amin’izany ny fanamboarana ireo trano mora zakan’ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy. Nametraka ny lalàna fampiroboroboana ny trano fonenana misy ny lasitra politika ankapobeny ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny trano fonenana.
Manezaka manangona ny tahirintany, hanohanana ny fanorenan’ny olona trano atsy ho atsy ny fanjakana. Toerana misy jiro sy rano akaiky fampandrosoana no tena ilain’ny olona. Efa maromaro ireo efa vonona amin’izany.
Tsy voatery manana kaonty amin’ny banky na mpiasam-panjakana fa rehefa mahavita tranokely iray dia omen’ny fanjakana ny tany. Efa misy ny tany 20 ha any Avaradrano hohajariana amin’izany. Toraka izany ny any Fort-Dauphin.
Hijery paikady miaraka amin’ny orinasa tsy miankina mba ho haingana kokoa ny fanorenana. Any amorontsiraka, nanorina trano nentim-paharazana nohavaozina, mahazaka rivodoza. Trano 100 no efa vita ao Manakara sy Farafangana. Trano miisa 1500 no tanjona ary aparitaka amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy rehetra iny.
Mitohy ny fananganana ireo fotodrafitrasa efa nampanantenaina. Efa tranainy avokoa ny fotodrafitrasa ary tany amin’ny Repoblika voalohany avokoa no nanorenana izany, indrindra ireo biraom-panjakana izay efa tena sarotra harenina amin’izao fotoana.
Mila mametraka zavatra mivaingana ho tadidin’ny taranaka fara aman-dimby no fanambin’ny filoham-pirenena. Porofo velona amin’izany ny Kianja Barea, maharitra 100 taona, taratry ny asa goavana nataon’ny filoha.
Tatiana A