Vomila : Iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’ny Nosy ny karazam-bomanga miloko laoranjy na vomanga miaty (Vomila). Manatan­teraka ny tetikasa fanaparitahana izany vokatra izany ny Centre International de la pomme de terre (CIP) eto Madagasikara.
Tany amina hektara maro no hambolena izany any atsimo. Ampiofanina ireo tantsaha eny ifotony mba ho mpamokatra masomboly tsara kalitao. Laharam-pahamehana ny fitsinjovana ireo tokantrano misy zazakely sy vehivavy bevohoka sy mampinono. Omena tahom-bomanga tsara voatra izy ireo hamboleny hahafahany mivelona sy miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Manodidina ny 80.000 ny mpisitraka masomboly voafantina hotratrarina ao ana­tin’ny distrika 9 any atsimon’ny Nosy, araka ny tetikasan’ny CIP hatrany.
Misy karazany 3 ny vo­manga miaty izay samy mavo avokoa ny ao anatiny. Ao ny Bora, Irene ary Donga. Ara­karaka ny maha laoranjy ny lokon’ny nofony no maha­betsaka vitamina A azy. Aparitaka any atsimo avokoa ireo. Ahitana vitamina A ampy ho an’ny zaza ao ana­tin’ny iray andro ny vomanga miaty laoranjy milanja 125 g.
Manohana ny fandaharanasan’ny CIP amin’ny fivoizana ny fambolena vomanga miaty na Vomila ny sampandraharaha amerikanina mi­sahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID).

Tatiana A

 

Partager sur: