Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitaky ny hanaovana fikaonandoham-pirenena hidirana amin’ny fitondrana Tetezamita ny mpanohitra sasany. Maneho ny fijeriny ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix: “Famotehana firenena hatrany ny Tetezamita. Efa nitranga teto amin’ny firenena izany tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Tena ilaina ve ny fifampidinihana mialoha ny fifidianana?
Rabekijana Félix (-): Samy mitabataba ny rehetra ny amin’ny tokony hanitsiana ny lalàm-pifidianana. Be dia be ny zavatra efa nilaozan’ny toetrandro amin’izao ao. Tokony hohatsaraina izany. Eo, ohatra, ny famatsiam-bolan’ny kandidà amin’ny fiatrehana fifidianana, ohatra, fa tsy mampitovy herijika. Ny hevitra no tokony hoentina handresen-dahatra vahoaka amin’ny fifidianana fa tsy ny vola. Ilaina ny vola, fa tokony hoferana ny famatsiam-bolan’ny kandidà amin’ny fampielezan-kevitra. Ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny vahoaka amin’izao, ka mora vidiam-bola. Amin’izany, tsy ny tena safidiny no mandeha amin’ny fifidianana fa noho ny herin’ny vola. Ny zava-doza: tsy izay hahasoa ny vahoaka no ataon’izay voafidy amin’ny vola fa ny hamerenana izay laniny tamin’izany.
Tokony hojerena koa, ohatra, ny fitongilanan’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Izay no nahatonga ny biletà tokana amin’ny fifidianana, fa misy tsy tonga any ambanivohitra fa izay tian’ny fanjakana ihany hametrahany izany. Mila jerena koa, ohatra, ny amin’ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra, fa tsy misy lalàna mifehy azy. Tsy fantatra intsony, ohatra, ny asa sy ny mialohan’ny fifidianana ataon’ny mpitondra.
* Raha mila fifampidinihana avokoa izany… Iza no hitarika izay?
– Tsy misy olona tokony havahina, fa samy ho tafiditra amin’izany… Raha mandray anjara fa tsy hoe mitarika, ohatra, ny avy amin’ny FFKM, hampidirina koa ny avy amin’ny fiangonana zandriny fa manana olom-pirenena maro tokony handray anjara amin’izany izy ireo. Eo koa ny silamo, ny mpitana ny fivavahana nentin-drazana… Tsy misy tokony havahina amin’izay fanatsara ny lalàm-pifidianana izay.
Iza no hitarika ny fifampidinihana? Hakana solontena ny sokajin’olona samihafa… Na izany aza, afa-miteny izahay KMF/Cnoe fa afa-mitarika an’io ary vitanay ao anatin’ny telo andro ny fikaonandoha eny amin’ny faritra 25: faritra 22 miampy 3 izay izarana an’Analamanga. Rehefa azo izay fakan-kevitra ifotony izay, haravona eo amin’ny sehatra nasionaly izay hakana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny: ny avy amin’ny fanjakana toy ny loholona sy ny depiote, ny mpikamban’ny governemanta, ny mpampianatra eny amin’ny oniversite… Avy eo, hakarina amin’ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena amin’ny volana mey izany. Amin’ izay, tsy misy adihevitra firy intsony eny anivon’ny parlemanta, satria efa niara-nandravona azy ry zareo.
* Tsy mila na tsy misy tetezamita izany?
– Aleo aloha hatao izay fifampidinihana hampahazava ny lalàm-pifidianana hiatrehana fifidianana izay. Aorian’ izay, raha ilaina: hatao ny fikaonandoha amin’izay hanavotana sy hanarenana ny firenena, rehefa mipetraka tsara eo amin’ny toerany izay ho filohan’ny Repoblika eo. Tsy misy na mila Tetezamita izany. Famotehana firenena hatrany ny Tetezamita. Efa nitranga teto amin’ny firenena izany tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009.
Nangonin’i R. Nd.