Notanterahina omaly ny fandraisana vonjimaika ny asa fanarenana ny sisin’ny lakandranon’Andriantany, izay vitan’ny fandaharanasa PIAA andiany faharoa.
Nohatsaraina amin’ny alalan’ny fandrakofana bozaka ny sisiny havia eo amin’ ny tronçon 11 teny Ankorondrano sy ny asa fanatsarana ny sisin’ny lakandrano Andriantany amin’ny ilany havia teny amin’ny fokontany Amorona, izay nahitana fihotsahana tamin’ireo toerana ireo. Mampilamina ny mpandeha an-tongotra manamorona an’iny lakandrano iny ny fahavitan’ny asa. Endriky ny tanàna rahateo ary miaro ny sisiny amin’ny fihotsahana.
Nandray ny fahavitan’ny fotodrafitrasana omaly ny solontenan’ny mpiara-mi-ombon’antoka toy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny sampandraharahan’ ny Fananan-tany (MATSF), ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny APIPA, ny AGETIPA, ny EGIS ary ny SOGEA.
Tatiana A