Matotra ny fiaraha-miasa! Tojonirina Deraina Toavina Stephano, 21 taona, tanora hofanina ao anatin’ny tetikasa “Santatra” iarahana amin’ny zandarimaria frantsay, amin’ny alalan’ny “détachement de la gendarmerie de coopération” sy ny sekoly ambonin’ny zandarimariam-pirenana (ESGN) ao Moramanga.
Anisan’ireo tanora 10 mianadahy voafantina manaraka fiofanana ao amin’ny ESGN Moramanga izy. Tao anatin’ ny telo volana izao, nitsangana tao amin’ny ESGN ny tetikasa “Santatra”, tetikasa tafiditra indrindra ao anatin’ ny toromariky ny Seg, ny Jly Serge Gellé sy ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (COMGN), ny Jly Andry Rakotondrazaka. Nanomboka ny janoary 2023, nitsangana ity tetikasa manampy ny tanora ity ao Moramanga. Ny fikambanana “enfant de Marie” no nitsonga sy nifantina ireo 10 mianadahy (lahy sy vavy) ao anatin’ny tetikasa “Santatra”. Miofana sy mianatra informatika, droit de l’homme, droit des femmes, teny frantsay, droit des enfants, secourisme, fanatanjahantena (basket, foot, judo) izy ireo.
Ny ESGN sy ny zandary frantsay no miantoka ny lany rehetra…
Ny ESGN sy ny zandary frantsay miasa ao amin’ity sekoly ity no miantona ny lany rehetra amin’ny fanofanana azy ireo mandritra ny enim-bolana. « Tanjon’ny zandarimaria roa tonta amin’ izao hetsika izao ny fanampiana sy ny fanoroana ny tanora amin’ny fanomanana ny ho aviny », hoy ny fanazavan’ny zandarimaria. Manomboka ny volana jolay ho avy izao indray ny fandraisana ireo ankizy sy tanora hiatrika fiofanana mandritra ny enim-bolana. Ny tetikasa « Santatra » dia isan’ny vokatra azon’ny zandarimaria malagasy amin’ny fiaraha-miasan’ny zandarimaria frantsay. Nanao tomban’ezaka ny asa vita teo amin’ny roa tonta nandritra ny taona 2022 sy ny famaritana ny asa miandry ny taona 2023. Notolorana mari-pahaizana teny amin’ny Toby Ratsimandrava koa, omaly, ireo manamboninahitra telo nahavita fiofanana tany ivelany. Nitarika izany ny lefitra voalohany ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Reribake Jeannot.
Jean Claude