Ceni : “Notsirihina ny fahombiazan’ny rindrambaiko”

Nanazava ny fanaovana fitsirihana ilay rindrambaiko ho an’ny lisitry ny mpifidy ny eo anivon’ny Ceni. Nojerena tamin’izany ireo anarana mety miverina amin’izany.

“Notanterahina ny fahazoana antoka ny rindrambaiko eo amin’ny fampiasana azy, ny fahombiazany rehefa ampiharina”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamaro­tafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fanaovana fitsirihana ny rindrambaiko niarahana tamin’ny OIF izay nifarana omaly. Efa misy lisitry ny mpifidy 10 tapitrisa any ho any tonga eo anivon’ny Ceni foibe amin’izao. Araka ny fandaminana asa: niaraha-nijery hoe tena mahomby ny rindrambaiko ary azo antoka fa hitany izay zavatra tsy araka ny tokony ho izy amin’ny lisitry ny mpifidy.
Anisan’izay notsirihina, ohatra, anarana miverina: samy Rakoto, ohatra, no jerena, fa be dia be ny Rakoto. Mitovy koa, ohatra, ny laharam-panondro, fa rehefa jerena ny daty nahaterahany fa tsy mitovy: olona samy hafa izany, fa tsy anarana miverina. Atao toy izany koa ny momba azy rehetra, raha mbola mety misy ny fitoviana: ny ray aman-dreniny, ny toeram-ponenany… Izay no endriky ny fitsirihana ny anaran’ny mpifidy mampiahiahy fa mitovy.

Tsy hitan’ny rindrambaiko ny anarana diso

Raha hita fa misy olona tena mitovy tokoa, fa mety misy mpifidy misoratra anarana indroa na intelo na tsy fahafantarana na fanahy iniana noho ny haratsiam-panahy: haverina ary hanaovana fanadihadiana ifotony ireny hahazoana manao fampitahana. Raha mpifidy iray kosa no misoratra amina toerana roa samy hafa, ny fisoratana anarana farany no raisina fa mety tsy naka fanamarinana fifindra-monina izy.
Rehefa hofaranana vonjimaika amin’ny 10 avrily ny lisitry ny mpifidy, ny olom-pirenena rehetra no asaina hanara-maso an’izay. Ho hita amin’izany ny tsy ara-dalàna mety hitranga: ny anarana diso izay tsy hitan’ny rindrambaiko, ohatra. Tsy main­tsy hisy fanitsiana hatao amin’ izany, miainga amin’ny fitarainana voaray. Izay no hahazoana lisi-pifidianana tena izy amin’ny famaranana amin’ny 10 jona.

R. Nd.

Partager sur: