Raveloson Constant : “Tsy azo ihodivirana ny fikaonandoha”

Nohitrikitrihan-dRave­loson Constant fa tsy maintsy ho tonga any amin’ny fikaonandoham-pirenena izao za­va-misy izao. “Tsy azo ihodivirana izany ary ho tonga amin’ny tenieranan’ny rehetra”, hoy izy. Notanisainy tamin’izany ireo karazana fihaonana. Ao ireo miray feo ka samy tsy manaiky izao fitondrana izao. Ny hafa kosa manindry mafy fa misy tsy mety ny fifidianana ka tsy handeha araka ny tokony ho izy raha tsy voavaha izany. Teo koa ny fitoriana teny amin’ny HCC. Nanteriny fa efa mizotra mankany amin’ny fikaonandoham-pirenena izao dingana lalovana izao. Efa mandeha ny fivorivoriana misesy iarahan’ny hery velona. “Ain-dehiben’ny fikaonandoha anefa ny tenierana fa tsy hiteniteny fotsiny eo”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, notsindriany fa efa samy nametraka ny tsy fetezan’ny HCC intsony ireo filoha teo aloha isany, Ravalomanana sy Rajaonari­mampianina ary koa ireo minisitra teo aloha na depiote.

Diso ny Ceni

Momba ny dinika iarahana amin’ny Ceni anio kosa, nohitsiny fa diso izy ireo amin’izany. Io rafitra io no tsy ekena sy tsy ankatoavina hi­tantana ny fifidianana nefa mampiantso fihaonana. “Ma­ha­tsapa izy ireo izany fa mila miresaka. Tokony hovana anefa io Ceni io”, hoy ihany izy.
Mazava ny nambarany fa manery ny mpitondra hiroso any amin’ny tenierana ny zava-misy na nanizingizina sy nanda ny tsy hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena aza ny fitondram-panjakana hatramin’izao.
Notsiahiviny tamin’izany fa efa fambara ireny teny tsy voahevitra nataon’ny filoham-pirenena teny Andoharano­fotsy ireny. “Tsy azo tohizina amin’izao fotsiny ka hatao toy ny tsy misy ny rehetra… Hany fanafodin’izany ny teniera­nan’ny rehetra”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: