Nanatanteraka ny anjara fanamaitsoana ny tanàna ny fikambanan’ny maintimolaly eo amin’ny CUA sy ny fikambanana Béton armé, omaly, teny amin’ny Rocade Nanisana. Nitarika azy ireo nanatanteraka izany ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina.
Nentina nanaporofoana fa saropiaro amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikambanana ary mandray anjara feno amin’ny fikoloana izany. Manodidina ny 150 ireo olona tonga nanatanteraka ny fambolen-kazo. Zanakazo karazany maromaro miisa 402 kosa no novolena, hanome endrika ny eny an-toerana ary hanamaitso mavana ny tontolo. Hisy ny fanaraha-maso ny fitombon’ny hazo novolena mba ho tena vanona sy haniry araka ny tokony ho izy.
Tafiditra ao anatin’ny veliranon’Andriamatoa ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Andriantsitohaina Naina ny fambolena manodidina ny Renivohitra ary mbola ao anatin’ny fotoam-pambolena tanteraka isika ankehitriny.
Hanohy ny ezaka fambolen-kazo sy fanamaitsoana ny tontolo eto Antananarivo sy ny manodidina ny fikambanana, araka ny tarigetran’izy ireo, Antananarivo tanàna maitso.
Tatiana A