Mankalaza ny faha-20 taonany ny Centre Sembana Mijoro eto Antananarivo. « Tsara ny vokatra nandritra izay fotoana izay satria 200 mahery ireo tanora sembana ara-batana sy ara-tsaina efa mahaleo tena ankehitriny », hoy Razafinjato Fela, filoha mpanorina ny fikambanana. Nahazo tohana avy amin’ny fikambanana amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana izy ireo. “Mbola nampiana tamin’ny fitadiavana asa ihany koa”, hoy izy. “Efa manana ny orinasany sy efa mahaleo tena avokoa izy ireo”, raha ny fanazavan’ny solontenan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra . Nisy ny fanentanana ireo tanora hafa tsy afa-manaraka ny fampianarana.
Ahitana sampam-piofanana maro eo anivon’ny fikambanana. Ny informatika sy fandrahoan-tsakafo ary ny zaitra. Tsy misy fe-potoana raikitra ny faharetan’ny fianarana fa arakaraky ny hahavitan’ireo tanora ihany, raha ny fanazavana voaray. Omena sehatra manokana ireo ankizy sy tanora avy amin’ ny fianakaviana sahirana. Eo koa ny tanora manana fahasembanana ara-batana. Takina amin’izy ireo koa ny fahazotoana hivoatra amin’ny fiainana fa tsy ho zatra tolorana.
Nosokafana tamin’ny fotoam-pivavahana
Nosokafana tamin’ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny FJKM Ambohimanandray Ambohimanarina ny fankalazana omaly. « Fa raha izaho kosa, ny famindram-ponao no itokiako, ho faly amin’ny famonjenao ny foko » io ny loha-hevitry ny fankalazana.
Tonga nanatrika ny fotoana ny avy amin’ny ministeran’ny Mponina sy ny Fahasalamana ary ny solombavahoaka avy any Ifanadiana. Nitarika ny fotoam-pivavahana ny mpitandrina Razafikoany Emile Jean Lalao sy Rafanomezantsoa Maurice de Dieu. Eny Ambohibao ny foiben’ny fikambanana. Efa misokatra ihany koa ny trano fandraisam-bahiny eny Analamahitsy.
Tsiahivina fa, nisedra olana ny fikambanana tao anatin’izay 20 taona izay. Anisan’izany, ny fahamaizan’ny trano fonenan’ny mpanorina tany am-piandohana. Eo koa ny fahasarotan’ny fampiofanana ireo ankizy sembana. Tsy kivy fa mijoro hatrany ny mpanorina sy ny mpanabe, manome fahalalana hatrany ho an’ireo tanora, raha ny fanazavana voaray.
Mino
(mpianatra asa)