Nanolotra tavoahangin’oxygàne miisa 100 ho an’ny hopitaly Befelatanana ny ONG Pivot, ao anatin’ilay tetikasa Bring O2, omaly. Ankoatra izany ny kojakoja ara-pahasalamana,mitentina hatramin’ny dimy alina dolara.
Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa, ny fikojakojana ny fitaovana famokarana oxygène hahafahana mampiasa izany maharitra. Misy ny fampiofanana ny teknisianina mikirakira ny fitaovana. Homena fahaiza-manao fanampiny izy ireo.
Tetikasa isitrahan’ny firenena dimy maneran-tany fanampiana ny tetikasa Pivot, Bring 02. Anisan’izany i Madagasikara. Efa hatramin’ny taona 2014 ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Hisitraka izao fiaraha-miasa izao ihany koa ny hopitalin’Andrainjato, Fianarantsoa.
Tsy handoavam-bola ny oxygène ho an’ny marary eny anivon’ny hopitaly. Maimaimpoana ihany koa ny fitsaboana.
Tatiana A