Ho fampahafantarana ny tetikasa Ambatovy, nisy ny fizarana vaovao tamin’ireo mpampianatra ao Brickaville ny volana janoary sy febroary teo. In’efatra miantoana ny fihaonana. Nahafahana nizara vaovao tamin’ireo mpampianatra 250 tany an-toerana.
Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny politikan’ny mangarahara sy fizaram-baovao mikasika ny orinasa amin’ny besinimaro ny fikarakarany fihaonana fampitam-baovao sy varavarana misokatra any amin’ny faritra iasany. Anisan’izany ny sekolim-panjakana sy sekoly tsy miankina 33, ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Brickaville.
Nahafantatra ny momba an’Ambatovy, ny asa ataony, ny vokatra vokariny ary ny tombontsoa eo amin’ny lafiny toekarena hoentiny ho an’ny toekarena ao an-toerana ireo mpampianatra.
Tatiana A