Tetikasa Elatra : harenina ireo vehivavy niharan’ny herisetra

Nampahafantarina ta­min’ity herinandro ity ny tetikasa Elatra, tarihin-dRasamimanana Onjaniai­na sy Randolph Jilliana. Miompana amin’ny fanohanana ny vehivavy niharan’ny herisetra mba hiverina hanana ny toerany eo anivon’ny fiarahamonina sy eo amin’ny seha-pihariana mi­sy azy ny tetikasa.
Miisa 100 ireo vehivavy kendren’ny tetikasa hotohanana hatramin’ny faran’ity volana marsa ity. Vehivavy 400 mahery hafa kosa no ho voakasik’izany hatramin’ny volana marsa 2024.
Maintimolalin’ny Man­de­la Washington Fellow­ship for Young African Lea­ders (YALI MWF) 2019 Rasamimanana Onja­niaina sy Randolph Jillia­na. Voafantina amin’ny programa fifanakalozana, Re­ciprocal Exchange 2022 ,izay mbola tafiditra ao anatin’ny YALI MWF.
Ny reciprocal Exchange dia sehatra ahafahan’ny mpandraharaha sy manampahaizana amin’ny sehatry ny indostria ary mpitarika fikambanana fiarahamonim-pirenena amerikanina, miara-miasa amin’ny maintimolalin’ny programa YALI, manerana an’i Afri­ka.
Tanjona ny hamolavo sy handrindra tetikasa iombonana hoan’ny tombotsoan’ny vondrom-piarahamonina amerikanina sy afrikanina.
Nanotrona izany ny mpanolontsaina lefitra misahana ny Serasera sy ny kolontsaina eto amin’ny masoivohon’i Etazonia, Elizabeth Maynard.

Tatiana

Partager sur: