Gret – Tetikasa lalankely : hisitraka ny fokontany 75 ato anatin’ny CUA

Nampahafantarina afakomaly, tao amin’ny La­pan’ny Tanàna Analakely, ny tetikasa lalankely andiany fahatelo. Tantanan’ny orinasa GRET sy vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) vola. Hisitraka izany ny fokontany 75 eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra. Havaozina sy hamboarina avokoa ny lalankely any anelakela-trano re­he­tra, ny arabe, tatatra, paompy, fanasan-damba, trano fidiovana, trano fa­makiam-boky, zaridaina ary kianja filalaovam-baolina. Tanjona ny hanatsarana ny fari-piainan’ny mpo­nina eny anivon’ny fokontany raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Hampiofanina ireo mpa­nadio sy ny mpitantana ny fotodrafitr’asa alohan’ny hanombohana ny tetikasa. Mba hampaharitra ny tetikasa raha ny fanazavana voaray.Omena fitaovana ny RF2 sy ny SMA (Socié­té Municipale d’Assainis­sement) hoenti-miasa. Ome­na  sarety 37, borety 276, fitaovana madini­ka (râteau, fourche, pelle, so­bika, kifafa) 276 isa, blouse 538, baoty 269, sabots 269, aro vava orona 269, gants 269, imperméable 269, casquette 309, T-Shirt 750 ary fitaovana ao amin’ny birao izy ireo. Ankoatra izay, hahazo fitaovana informatika ny trano famakiam-boky .
Manentana ny mponina hatrany ny kaominina mba hifanome tanana amin’ny fanajana sahady ny fotodrafitrasa. Mba hikojana ny fotodrafitrasa sy hanomezana tambin-karama ny RF2 amin’ny asa fanadiovana ataon’izy ireo. Mia­ra-miasa amin’ny ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananantany ny tetikasa.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: