Fiatrehana ny fifidianana : mitaky ny hitohizan’ny dinika ny Pnud

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ahitana ny avy amin’ny Pnud, ny Von­drona Eoropeanina (UE), ny Vondrona Afrikanina (UA) ary ny Frankofonia (OIF). Nankasitraka ny dingana vitan’ny Ceni tamin’ny dinika nandraisan’ny rehetra anjara izy ireo, mba hahatongavana amin’ny fifidianana mangarahara. Hahatongavana amin’ny fifidianana anaty fitoniana izany, manoloana ny fisokafan’ny adihevitra natao, araka ny fanambarana. Na izany aza, mitaky ezaka ireo avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. “Tokony hotohizana ny fifanakalozan-kevitra ao anatin’ny fanajana ny fahalalahana maneho hevitra, ny zo maha olona ary ny fandraisana anjaran’ireo mpisehatra politika ary ny demokrasia… Tsy tokony misy ailika amin’ny dingana rehetra ho any amin’ny fifidianana”, hoy izy ireo. Notakin’izy ireo ny hitohizan’ny fifampiresahana fa zava-dehibe izany amin’ny fametrahana fitoniana sy fifampitokisana hitondra any amin’ny fitoniana sosialy.
Tsiahivina fa nankasitrahan’izy ireo manokana ny fahatongavan’ireo filoha teo aloha, mirahalahy sy ireo avy eo anivon’ny FFKM, ankoatra ireo avy amin’ny Andrim­panjakana.

Synèse R.

Partager sur: