Miantso ny tomponandraikitra : misy mivarotra ny fanafody Plumpy Nut

Misy mivarotra 1100 Ar ny fonosana Plumpy Nut iray eto Antananarivo, ary efa miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera facebook mihitsy ny fivarotana ity fanafody ity. Araka ny fanadihadiana, mpamongady no voalaza fa mivarotra izany eto amin’ny facebook, ary misy olona maka hatramin’ny 300 isa. Fanafody hitsaboana ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ary omena maimaimpoana ity fanafody ity eny amin’ny tobim-pahasalamana fa tsy amidy. Toerana maromaro no efa nisehoan’ny tranga fivarotana toy ny tany Toliara, Fara­fan­gana… izao mitohy eto An­tananarivo izao
Miantso ny tomponandraikitra hijery akaiky ity tranga ity satria hiteraka olana ara-pahasalamana hafa ho an’izay mihinana azy ny fanafody rehefa tsy ny mpitsabo no nanome azy. Efa namoaka hira fanentanana milaza ny tokony tsy hivarotana sy tsy hihinanana ity fanafody ity ny tambajotra misy ireo tompondakan’ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo (Chanut), ny taona 2021, ary nampiasaina teny anivon’ny sekoly sy ny sehatra hafa.

Vonjy A.

Partager sur: