Holafitry ny vadintany : olana ny fangatahana mpitandro filaminana

“Efa an-taona maromaro no nisedra olana ny holafitry ny vadintany sy mpanao lavanty rehetra manerana an’i Madagasikara. Efa nisy ihany ny fanairana sy tatitra natao nefa tsy nisy ny vahaolana hatramin’izao”.

Nohamafisin’izy ireo fa amin’ny faritra maro eto Madagasikara dia misedra olana ny vadintany amin’ny fangatahana mpitandro filaminana na mbola tsy nivoaka aza ny taratasy navoakan’ny préfet-n’i Toa­masina iny, aretina mikiky ny vadintany rehetra amin’izao fotoana izao io olana momba ny fahazoana mpitandro filaminana sy fanatanterahana didy io. “Mbola misy koa ny hoe maka alalana manokana ankoatra ny didim-pitsarana izay efa ela vao azo rehefa misy fandroahana na fandrodanana atao nefa didy raikitra no efa eo am-pelatanana”, hoy hatrany ny eo anivon’ny holafitra. Manoloana izany rehetra izany : Manameloka ny fanaovana tsinontsinona ny didy mivoaka, satria tokony hanaja izany ny tompon’andraikitra rehetra isan-tsokajiny, mba hijoroana amin’ny tany tan-dalàna marina. Eo koa ny fanaovana tsinontsinona ny vahoaka malagasy tompon’ny didy tokony hotanterahana. “Hangatahinay ny ha­natsaharana avy hatrany ny fandrarana na ny fandavana hanome mpitandro filaminana rehefa hanatanteraka didy ny vadintany, lalàna izany ka tokony hotanterahana tsy misy olakolaka”, hoy ny fanazavan’ny holafitra. Eo koa ny hanatsaharan’ny ambaratongam-pahefana rehetra ny fanelingelenana fanatanterahana ireo didy rehetra mivoaka amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy ka aoka hijanona avokoa ireo antsojay na sakana rehetra mba hahafahanay manatanteraka ny asanay am-pitoniana sy am-pilaminana hiadanan’ny vahoaka malagasy, araka ny fanazavan’ny ho­lafitry ny vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasika­ra hatrany.

Jean Claude

Partager sur: