Niaiky azy ny rehetra… 90 taona, fa mbola mahazaka sehatra tsara i Henry Ratsimbazafy. Nandona ny fon’ny mpankafy indray ny nahita azy an-tsehatra, omaly…
Fampisehoana nanjakan’ny fihetseham-po tanteraka. Ny fahitana an’i Henry Ratsimbazafy nijoro teo amin’ny sehatry ny CCEsca Antanimena fotsiny, dia efa nampihoraka ireo mpankafy nameno ny trano. Hatramin’ny hira voalohany toa “Faly aho”, “Ampianaro aho”, “Anao no nindramiko”, sns, dia efa niarahan’ny mpankafy niredona ireo hira. Namerina ny tadidy tany ambadiky ny taona maro ry “Bobongolo ilay fitia”, “Lambanao mikopakopaka”, “Mahafatifaty”, sns.
Nampahatsiaro ny endri-tseho taloha ihany koa ny fanoloran’i Clara ireo hira, indrindra fa toa nirindra nanaraka lohahevitra izany. Satria fankalazana ny faha-90 taonan’ity andrarezina ity, tsy navelan’ireo mpanakanto taizany tanaty mozika ho irery an-tsehatra i Henry Ratsimbazafy. Mbola hafa ny naheno ny “Tiako ianao”, niangalian’i Voahirana, ny “Rehefa tia” nataon’i Bodo, “Ianao” niarahan’i Zazah sy i Tovo J’hay, ny “Foko kely” nataon’i Mahery, sns.
Ny fanirian’ny rehetra: hanohy hatrany ny mozika sy ny fiakarana an-tsehatra i Henry Ratsimbazafy, ary amina sehatra lehibe kokoa ny manaraka, satria maro ireo tsy tafiditra.
Zo ny Aina