Raikitra ny “Business Forum Regionaux – II”. Hifantoka amin’ny fampandrosoana faritra telo any atsinanan’ny Nosy ny “Business Forum Régionaux” amin’ity andiany faharoa ity. Anisan’ny hisitraka izany ny any Atsinanana sy Alaotra Mangoro ary Analanjirofo. Anisan’ny hojerena manokana amin’izany ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fihariana amin’ireo faritra telo ireo, amin’izao hetsika, notanterahina any Toamasina, nanomboka omaly izao. Niatrika izany tany an-toerana ny tale kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika sy ireo mpikambana sasany
eo anivon’ny governemanta. Nambaran’ireo nandaha-teny fa anisan’ny tanjona amin’izao fikaonandoha izao ny ahafahana misintona na misarika ireo mpampiasa vola avy eto an-toerana. Eo koa anefa ireo avy any ivelany, ahafahana mitady ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka. Eo koa ny hitadiavana ireo famatsiam-bola ho an’ireo faritra telo ireo.
Synèse R.