Anisan’ny nanompanan’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ny lahateniny tany Sambava, ny sabotsy teo, ny momba ny fitsinjaram-pahefana. Notsiahiviny fa efa voalazan’ny Lalàmpanorenana izany ary roa ireo mpitondra nifandimby teo. Tsy nampihatra izany anefa izy ireo. Nianiana amin’izany Lalàmpanorenana izany izy ireo nefa tsy nampihariny… “Lainga ny fampiharana ny tetibolam-panjakana amin’izao fotoana izao ary tsy mbola nanangan-tanana nandany izany aho”, hoy izy. Nanteriny fa misy vola laniana fahatany ao amin’ny fanjakana fa tsy omena ny ben’ny Tanàna. Tokony hisitraka vola 80 tapitrisa Ar avy anefa ny kaominina… “Hanoratra tantara isika amin’ny alalan’ny fanjakana tsara tantana ka tokony hahazo 80 tapitrisa Ar avy ireo kaominina rehetra”, hoy izy.
Nitodika amin’ny filohan’ny Repoblika ny tenany fa tsy mendrika ny vahoaka any Sava izao fahapotehan’ny seha-pihariana lavanila izao. “Nahazo 80% mahery izy taty nefa iaraha-mahita ny valin’izany… Efa -taona nijaliana ny vahoaka aty…”, hoy izy. Nilaza ho manana vahaolana anatin’ny 24 ora ny Mihava Tour. “Ambarao anay ireo misakantsakana…”, hoy izy.
Synèse R.