Zaikabe : tsy miova foto-kevitra ny Otrikafo

“Ny mpitarika ny antoko no miova, fa mitoetra hatrany ny foto-kevitra”, hoy ny filoha nasionaly vaovaon’ny Otrika­fo, Rabevahiny Elia, taorian’ny famaranana ny zaikabe nasionalin’ny antoko teny amin’ny foibe toerany, Andra­voahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo. Efa natomboka tany amin’ny faritra tamin’ny taon-dasa ny zaikabe, ka fifidianana sy fampahafantarana ny birao nasionaly vaovao hiasa mandritra ny dimy taona ny fa­maranana. Izy no filoha fahatelo, taorian’ny fahalasanan’ ny filoha mpanorina, Rajao­nah Andri­an­jaka, taona 2018. Filoham-boninahitra ny filoha faharoa, Rajaona­rison Edouard, ary Randim­bimia­risoa Dieudonné no sekretera jeneraly vaovao.
“Tsy mampiova ny foto-kevitry ny Otrikafo ny fivadiky ny taona. Eo ny tsy fiankinan-doha sy ny fiandrianam-pirenena”, hoy izy. Manam­py ireo ny fanjakana tan-dalàna. Ara­karaka ny vanim-potoana no hiovan’ny paikady ankapobeny enti-miatrika ny raharaham-pirenena. Mi­toetra ny foto-kevitry ny antoko, izay somary manahirana ny hafa. Vao mainka aza mihamafy izany, fa manahirana ny fiainam-pirenena amin’izao. Manery hiezaka hitondra ny anjara birikiny izany, tsy hi­tsitsy fitenenana miaraka amin’ny sosokevitra.
Tsy niresahana raharaham-pirenena betsaka ny fa­maranana ny zaikabe. Ny zava-dehibe ho an’ny mpanara-baovao, indrindra amin’ny toe-draharaha politika amin’izao: samy miezaka manao izay ahitana sy ahafantarana azy ny antoko tsirairay. Na­petraky ny lalàna ny tokony hanaovan’ny antoko zaikabe isaky ny dimy taona. Eo koa ny mbola fahavononany hiatrika hatrany ny raharaham-pirenena, na ao anatin’ny fa­hasarotana aza ny firenena amin’izao. Mila fijoroan’ny tsirairay izay.

R. Nd.

Partager sur: